|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  baliaka
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Enti-milaza ny zavatra (maso, voninkazo, vozon' akanjo, masoandro...) izay mivelatra miseho mazava tsara, kanefa raha ny maso no lazaina, dia bary no fampiasa matetika kokoa, ary raha ny vozon' akanjo dia balelaka [1.1]
4 mivelatra be [2.643]
Fanazavàna teny anglisy  5 same as balelaka, but used also in the following combinations. Also provincial for badiaka. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  6 ouvert, équarquillé, décolleté [1.3]
Ohatra  7  Ny masony baliaka toa mihantsy sy miteny hoe : Iza re no ho anjarako? [2.499]
8  Te haniteraka hazavana ao ambadiky ny raho-manify ny fisandratry ny masoandro baliaka. [2.470]
9  Volana baliaka no nitsena ahy avy hatrany tery amin' ny lanitra mangalihaly tsy misy rahona. [2.643]
Haiendriteny 
10  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  16 akanjo baliaka

Teny iditra (2/2)17  baliaka
Sokajin-teny  18  anarana
Fanazavàna teny frantsay  19 Préparation censée faire repousser les cheveux : « mampaniry volo » d'après Rakoto Ratsimamanga ; Gazety Medikaly 1re année, n°37-38 (août septembre 1976) en langue malgache. [1.196]

Fivaditsoratra  20 aka-baly, baliaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09