|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 fakam-panahy |
| Singan-teny | 2 faka, 3 fanahy |
| Sokajin-teny | 4 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Teny ilazana ny fitaomana ataon' ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy:
6 Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namilivily ny volam-bahoaka 7 Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena: 8 Fakam-panahy lehibe ho azy io zava-pisotro eo ambony latabatra io [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 tentation
[1.5] |
| Ohatra |
10 Mandositra ny fakampanahy aho!
[2.5#]
11 Hahatohitra ny fakampanahy ve hianao rahavako, ka hahandry ny fiverenako? [2.499#] 12 Fa na inona na inona no hevitra momba izany, dia hita mazava fa ao ny fakampanahy mamely antsika [1.38] 13 Voan' ny fakampanahy ny sasany ka nangalatra ny volan' ny namany hividianany mokary [2.356#] |
| Tovy hevitra | 14 fitaoman-dratsy |
| Mpanahaka | 15 fitaomandratsy |
| Lahatsoratra | 16 Randzavola: fakampanahy ao amin' ny Baiboly |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|