|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  fanindry
Fototeny  2 tsindry
Sokajin-teny  3  anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 Fomba entina manindry
5 Azo tsindriana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 Anything used to press something down with. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  7 Ce qu’on peut presser, ce qui presse, celui qu’on doit aider, manière de presser [1.3#774]
Ohatra  8  Ao ambadiky ny vovonan-karaka dia ny fanindry, izay rehefa tsindrina dia mampisokatra ny laharan-kofehy ambony hisaraka amin' ny ambany. [2.436#]

Teny iditra (2/4)9  fanindry
Sokajin-teny  10  anarana
Fanazavàna teny malagasy  11 anaram-boron-dia mpangalatra akoho kely toa papango ary mipaoka koa voalavo sy totozy izay sendra azy [Tanala] [1.78]
12 Vorona homankena, karazan' ny papango (Buteo brachypterus) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  13 a species of buzzard. Buteo brachypterus, Pelz. Same as hindry (Bets. and Tan.), endry (Betsim.), pompa (Bara), tinoro (Sak. and Antank.), and bobaky (Sak.). [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  14 espèce de buse [1.54]
Ohatra  15  ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany [2.996#]
Voambolana  16  Haibiby: vorona
Tovy hevitra  17 bobaky, endry, hindry, pompa, tinoro

Teny iditra (3/4)18  fanindry
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny malagasy  20 Hazo lava atsindry ny sarombovonan' ny tafo [Sakalava] [1.1]

Teny iditra (4/4)21  fanindry
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 Hazo ao ambadiky ny vovonan-karaka izay rehefa tsindriana dia mampisokatra ny laharan-kofehy ambony hisaraka amin' ny ambany (Tenona) [1.1]

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12