|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 fanindry |
| Fototeny | 2 tsindry |
| Sokajin-teny | 3 anarana na mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Fomba entina manindry
5 Azo tsindriana [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 Anything used to press something down with.
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 Ce qu’on peut presser, ce qui presse, celui qu’on doit aider, manière de presser
[1.3#774] |
| Ohatra |
8 Ao ambadiky ny vovonan-karaka dia ny fanindry, izay rehefa tsindrina dia mampisokatra ny laharan-kofehy ambony hisaraka amin' ny ambany.
[2.436#]
|
| Teny iditra (2/4) | 9 fanindry |
| Sokajin-teny | 10 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
11 anaram-boron-dia mpangalatra akoho kely toa papango ary mipaoka koa voalavo sy totozy izay sendra azy
[Tanala]
[1.78] 12 Vorona homankena, karazan' ny papango (Buteo brachypterus) [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 a species of buzzard. Buteo brachypterus, Pelz. Same as hindry (Bets. and Tan.), endry (Betsim.), pompa (Bara), tinoro (Sak. and Antank.), and bobaky (Sak.).
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
14 espèce de buse
[1.54] |
| Ohatra |
15 ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany
[2.996#]
|
| Voambolana | 16 Haibiby: vorona |
| Tovy hevitra | 17 bobaky, endry, hindry, pompa, tinoro |
| Teny iditra (3/4) | 18 fanindry |
| Sokajin-teny | 19 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
20 Hazo lava atsindry ny sarombovonan' ny tafo
[Sakalava]
[1.1] |
| Teny iditra (4/4) | 21 fanindry |
| Sokajin-teny | 22 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
23 Hazo ao ambadiky ny vovonan-karaka izay rehefa tsindriana dia mampisokatra ny laharan-kofehy ambony hisaraka amin' ny ambany (Tenona)
[1.1] |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|