|
|
|
|

Teny iditra1  fitarihana
Fototeny  2 tarika
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fandroritana, fisintonana: Naharary ahy ny fitarihany ahy tamin' ny sandriko
5 Fanaovana izay hisarihana zavatra iray hanaraka ny tena: Fitarihan' ny soavaly ny kalesy
6 Fitondrana: Eto no manomboka ny fitarihana ny rano ho ao an-tanàna
7 Fanoroana lalana: Fitarihana olona any anaty ala
8 Fitaomana: Ikezaho ny fitarihana ny namana ho amin' ny tsara
9 Fanaingana, fanentanana: Anao ny fitarihana ny fivavahana anio
10 Fibaikoana: Nomena ny Kolonely ny fitarihana ny tafika [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  11 entraînement [1.13]
Voambolana  12  Haitao
Kamban-teny rehetra  13 fitarihan-dalana

Fivaditsoratra  14 fatihariña, 15 fihiratana, fitarihana, 16 fitraihana, 17 tafahirina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17