|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  fitsarana
Fototeny  2 tsara
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Asan' ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra
5 Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin' ny alalan' ny fandinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo
6 Toerana anaovana io fitsarana io: Lasa eny amin' ny Fitsarana i dada
7 Anarana nomena ny tangena fahizay. Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon' izay resy tamin' ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon' izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany). Ny atao hoe Fitsarana avo kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-panorenana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 [Rel. s. from mitsara (tsara).] Judgment, the seat of judgment. [1.2]
9 a judgement; a court of law [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 le jugement, le lieu, le tanguin qui jugeait
11 l'aiguille placée au-dessus du fléau de la balance [1.3#753]
12 jugement; tribunal [1.8]
Ohatra  13  Tsy very anjara koa ny fitsarana. [4.27#2012/05/24]
14  Ny Tangena no natao fitsarana farany. [2.508#422]
Voambolana  15  Lalàna
Kamban-teny rehetra  16  Fikambanana 13 amin' io teny io
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  18 Randzavola: fitsarana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)19  fitsarana
Sokajin-teny  20  anarana
Fanazavàna teny frantsay  21 (racine tsara). Au sens habituel : jugement. Nom qu'on donnait au tangena : Cerbera venenifera (Poir.) Steud. (Apocynaceae) quand il servait à pratiquer l'ordalie, le « jugement de Dieu » ; on disait aussi tangena-mitsara. [1.196]
Voambolana  22  Haizavamaniry
Tovy hevitra  23 tangena-mitsara, tangenitsara
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  25 fanaratsy, 26 fanisatra, 27 fiantsara, 28 fisatrana, fitsarana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17