|
|
|
|

Teny iditra1 fitsinjovana
Fototeny  2tsinjo
Sokajin-teny  3 anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fitazanana lavitra, fitazanana avy ambony: Avy eny an-tampon' Ankaratra no fitsinjovana tsara indrindra an' Antananarivo
Fitandremana, fiambenana: Nankinina tamin' Ikoto ny fitsinjovana ny vorona sao lasa
Fikarakarana lavitra: Adidinao ny fitsinjovana ny zandrinao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 the act of overlooking from afar
care, supervision, regarder au loin (action de), surveillance (une), soins (des) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 L'action de regarder au loin, le lieu, la surveillance, les soins [1.3#780]
7 action de regarder au loin
soins [1.8]
Ohatra  8 ny lalàna mifehy ny asa, ny zo sendikaly, ny zo hitokona ary ny fitsinjovana ara-tsosialy; [1.320#]
9 Misy kosa ny fantatra fa fitsinjovana ny filaminana amin' ny fiaraha-monina an-toby : tsy mahazo mikasika vehivavy. [2.472#]
Kamban-teny rehetra  10tahiry fitsinjovana ny vodiandro ho merika

Nohavaozina tamin' ny 2025/10/08