|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  hitsikitsika
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Karazam-borona salasalany, mivolon-takatra sady mainty ny volony, 30 sm ny halavany ary mivelona amin' ny nofom-biby madinika sy ny bibikely (Tinnunculus) -- Mahafinaritra jerena ny fanidin' ny hitsikitsika rehefa misonenika izay izy, ka nahatonga ny hiran' ny ankizy hoe: Mandihiza, Rahitsikitsika, hianaranay raha fararano [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4 crécerelle [1.54]
5 crécelle malgache, oiseau de bon augure, qui porte bonheur [1.196]
Ohatra  6  Dia nisy hitsikitsika nisakana azy. [2.69#]
Voambolana  7  Haibiby: vorona
Tovy hevitra  8 ihitsikitsika, ikitiky, kitsikitsika
Ohabolana  9  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  10 Randzavola: hitsikitsika ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/2)11  hitsikitsika
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny malagasy  13 Karazan-kazo lehibe mafy [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  14 (Nom général de rhodocolea : Rhodocolea racemosa (Lam.) H.Perrier et Rhodocolea telfairiae (Bojer ex Hook.) H.Perrier (Bignoniaceae).
15 Fruits comestibles, acidulés. [Merina, Betsileo] [1.196]
Voambolana  16  Haizavamaniry
Mpanahaka  17  hitsika
Kamban-teny rehetra  18 hazonkitsikitsika
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17