|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Hofa sandrin' ny lanitra |
| Singan-teny | 2 hofa, 3 sandry, 4 lanitra |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7 Rajaofera Fredy |
| Lahatsiratra manontolo |
8 9 Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo, 10 Avereno fa indrana, lamba mora miofo. 11 Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa, 12 Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa! 13 Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka, 14 Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka . 15 Aty no azo antoka, tsy misy rebireby, 16 Avia modia, ry oloko, aza mba someby ! 17 Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana, 18 Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana, 19 Aty no tsy mba miova, aty no volamena, 20 Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena! 21 Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina, 22 Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina; 23 Aty no fitoazana ..., fararano lava, 24 Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava . 25 Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy; 26 Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy. 27 Avelao ny havana voa lefona maranitra, 28 Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra ! 29 Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso, 30 Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso, 31 Ho inonao ny tany, mpamingana mandady, 32 Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady! 33 Faharesena an-tany no lalan-tora-tady 34 Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady , 35 An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy: 36 Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy! |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|