|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/4) | 1 kibobo |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 vorona mpisitrika anaty ahitra toy ny tsipoy fa kely toy ny: Kibobo voanfandrika ko mandremandre re ahazoana zanakakoho
[Betsileo]
[1.78] 4 Karazam-borona madinidinika; ohatra ny akohokely mavomavo ny habe amam-bikany, matetika hita mitsoriaka any anaty bozaka; fihinana tsara ny nofony ary tsy mba hazaina izy fa fandrihana (Turnix nigricollis) [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 a species of bustard quail. Turnix nigricollis, Gon.
6 Same as kibo, kibokely and kibotay [1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 caille
[1.19, 1.54] 8 caille (Cothurnis communis, Phasianidae) [1.5] |
| Ohatra |
9 kibobo nihehy voro-mila hanina aza fatra-pandatsa ry zalahy fa ny mamelon-tena zava-tsarotra.
[2.131]
10 Nanao andia telo ireny, samy nanana ny biby hazainy avy: tsipoy, kibobo, sahona. [2.472] |
| Voambolana | 11 Haibiby: vorona |
| Tsipelina hafa | 12 kibo |
| Tovy hevitra | 13 kibokely, kibotay, menamaso, papelika |
| Kamban-teny rehetra | 14 Fikambanana 2 amin' io teny io |
| Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/4) | 16 kibobo |
| Sokajin-teny | 17 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
18 hena mahia: Kibobo fa be didy (Hena mahia fa anananambe)
[Betsileo]
[1.78] |
| Teny iditra (3/4) | 19 kibobo |
| Sokajin-teny | 20 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
21 trano bongo efa simba, tranon-tovovavy
[Bara]
[1.78] |
| Teny iditra (4/4) | 22 kibobo |
| Sokajin-teny | 23 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
24 vovoka
[Betsileo]
[1.78] |
| Fivaditsoratra | 25 biboko, 26 boboky, kibobo |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|