|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  kitro
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Ny fipetraky ny vatom-panorona eo amin' ny tampona anankiroa tsy mifanitsy. [1.1]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Kamban-teny rehetra  11  Fikambanana 6 amin' io teny io

Teny iditra (2/5)12  kitro
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny malagasy  14 Faritra mafimafy mamarana ny tongotry ny biby, toy ny omby, soavaly... izay ahafahany mandeha amin' ny vato: Tsy mivaky toy ny an' ny omby ny kitron-tsoavaly [1.1]
15 faritra mafy mamarana ny tongotry ny biby mihinana ahitra [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  16 a hoof [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  17 sabot des animaux [1.3, 1.19, 1.8]
18 sabot [1.13]
Voambolana  19  Haibiby: (amin' ny ankapobeny)
Kamban-teny rehetra  20 kitro vy

Teny iditra (3/5)21  kitro
Sokajin-teny  22  anarana
Fanazavàna teny malagasy  23 Zavatra toy ny holatra maniry eo amin' ny tanana miasa mafy noho ny fitanana angady, ohatra, na eo amin' ny tongotra noho ny tongotra mikiraro: Efa maniry kitro mihitsy ny tanako amin' ny asa tany nataoko omaly
24 Loto efa mandry ka tonga mafy amin' ny vody nify. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  25 a callus or corn [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  26 callosité [1.3]
27 tartre des dents [1.3]
28 durillon [1.54]
Voambolana  29  Haiaina
Tovy hevitra  30 kotro
Kamban-teny rehetra  31  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (4/5)32  kitro
Sokajin-teny  33  anarana
Fanazavàna teny malagasy  34 angady kely [Taisaka] [1.78]
35 angady tonta, angady montro [Bara] [1.78]
36 lefona [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (5/5)37  kitro
Sokajin-teny  38  anarana
Fanazavàna teny malagasy  39 zafindohalika [Taisaka] [1.78]
Voambolana  40  Fifandraisana: fianakaviana

Fivaditsoratra  kitro, 41 kotry, 42 troky

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09