|
|
|
|

Entry (1/4)1  Madagasikara
Part of speech  2  name (toponym) [Full list]
All compound words  3  11 words containing madagasikara
Explanations in Malagasy  4  [1.10] Anglisy sy frantsay "Madagascar": izany no nogasiana hoe Madagasikara. Araka izany, ny fanononana sy fanoratana azy dia tokony hatao hoe Madagaskar. Anefa nony anaovana tononkalo izy hita fa mety ny asiana ny litera I eo amin' ny vakiteny fahefatra sy A eo amin' ny farany, ka dia tonga hoe Madagasikara izy.
Examples  5  [2.113#] Marina ve ny Iroe : Radama, Mpanjakan' i madagasikara?
6  [2.356#] Nisokatra teny Ankatso ny Oniversiten' i madagasikara.
7  [2.270#] Noho i madagasikara tsy toy ny andro taloha intsony va?
Vocabulary  8  Geography: countries, people
Other spellings  9  madagascar, madagaskar, malagasikara
Synonyms  10  bokiny, dago
Analogs  11  bokiny, dago, kierabe, madagascar, madagascar
Quotes  12  Texts mentioning Madagasikara
Illustrations 
13  14  15  16  17 

Entry (2/4)18  madagasikara
Part of speech  19  noun
Explanations in French  20  [1.196] Du nom de l'île de Madagascar dont cette plante pourtant récemment introduite est curieusement devenue le symbole, sans doute en raison de l'association d'idées entre « Île rouge » et bractées rouges. La feuille pliée en deux a la forme de l'île. Poinsettia pulcherrima (Willd. ex Klotzsch) Graham (Euphorbiaceae) ou Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch (Euphorbiaceae). Arbuste décoratif originaire du Mexique, cultivé dans les jardins et se reproduisant facilement par boutures. Il a été introduit à Tananarive en 1923 par Edmond François, alors Directeur des Parcs et Jardins. Un timbre malgache a reproduit cette plante et ses grandes bractées rouges sont devenues un motif habituel des brodeuses tananariviennes.
Vocabulary  21  Botany
Scientific name 

Entry (3/4)23  Madagasikara
Subtitle  24  Ilay nosy mbola nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny
Part of speech  25  name (book title) [Full list]
Elementary words  26  Madagasikara
Vocabulary  27  Literature: books
Author  28  Bakke Jon Erik, Randrianirina Philippe, Razafimamdimby Andriamanohisoa
Publishings  29  1994. Pages: 48.

Entry (4/4)30  Madagasikara
Part of speech  31  name (poem title) [Full list]
Elementary words  32  Madagasikara
Vocabulary  33  Literature: poems
Author  34  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
35  Mihira anao avokoa, ô ry Madagasikara,
36  Ny alanao mikirindro L ny ravinala sy akondro,
37  Ny ravintsara sy rofia, ny tanety tsy hita fara,
38  Ny tendrombohitra efa konka, lanin-driaka, efa mondro.

39  Mihira anao izy ireny! Fa izay tsy hita intsony
40  Ary tsy ahitan-teny dia ireo tanàna fahizay
41  Lasa haolo, anaty vero, matory fahizay ka tony
42  Ao anaty hadivory, misaona toa mangaihay.

43  Miova lasy ny tanàna, mamonjy ireo toeran-donaka !
44  Eny an-dohasaha indray no misy setroka midonaka,
45  Ary eny ny korana, miravoravo fahavokarana…

46  Miova endrika izy ireny ary mbola hiova endrika
47  Hahitana fiezahana ho amin'ny fonena-mendrika !
48  Andro vaovao izao fa ny lasa dia nifarana...

Anagrams  49  Madagasikara, madagasikara

Updated on 2025/08/10