|
|
|
|

Entry (1/2)1  maka vavan' olona
Elementary words  2  maka, 3  vava, 4  olona
Part of speech  5  locution
Explanations in Malagasy  6  mino avy hatrany izay lazain' ny olona fa tsy mamototra akory ny amin' ny fahamarinany; mandray sy mino izay lazain' ny sasany (fa tsy mba miandry handre sy hahitamaso mivantana) [1.1]

Entry (2/2)7  Maka vavan' olona
Elementary words  8  maka, 9  vava, 10  olona
Part of speech  11  name (short story title)
Vocabulary  12  Literature: short story
Author 
13  Tselatra
Text  14  - Endrey ity satro-drazoky misy ivoho sy anoloana, ny lamban-drazandry misy atiny sy ivelany, fa tsy mba nampoiziko ny fo avy no misy aseho sy afenina. Nody tiana aho kanefa tampena-maso, safosafoina kanjo tiana hatory l. Fa sasa-poana ianao, raondriana, mihodin-dava, nefa ny lanimandry hitan'ny any ivelany; miery foana raotrik'afo misaron-davenona fa tsy avelan'ny setroka tsy ho hita. Fanahy afenina ahy ny anao, rahavako, ka tsy hitako izaho nierena fa notanisain'ny hafa tsy nampoizina; vaky ianao vao taitra, nandre aho vao talanjona.

15  - Olon-tsy tiana ve aho no indraman-teny, sa efa hala no akam-bavan'olona? Ny hafa anie, rahavako, ka zavona ta-hanelanelana ny tany; renirano ta-hampisaraka ny morona, satriny ianao tsy hanana, satriny aho hamoy. Voara andrefan-tanàna ny fitiavana ka hozongozonin'olona hitsimponany izay raraka, vato be poirim-paka ka raha mihalaka ianao dia itsapahany. Ka mbà mihevitra, mbà mitadidy fa sao roboroboin'ny hain-tanety ka mamono ny efa ato am-patana.


Anagrams  16 maka vavan' olona, Maka vavan' olona

Updated on 2025/10/12