|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manainga
Fototeny  2 ainga
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manala ny zavatra amin' ny toerana ambany misy azy ka manondrotra azy, mibata: Tsy afaka manainga ny tongony akory io marary io ~ Afaka manainga ity vato ity ve ise?
5 Mamporisika, mitaona: Manainga ny vahoaka ny Filohan' ny Nosy mba hifankatia sy hiasa
6 Miala amin' ny toerana iray ka mandeha: Tsy afaka hanainga amin' ny efatra maraina isika fa mbola misy hamboarina ny fiarakodia [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to lift up, to elevate, to raise up; to send forward on a journey; to fetch to a feast or meeting; to ask a person to rise. [1.2]
Ohatra  8  Fa ny Fiangonana kosa, izy manainga anao hitory azy. [1.369#]
9  Ilaikely io hoy ny olona misy zavatra manainga azy mihitsy. [2.606#]
10  laraha-mahalala koa fa ny fony indrindra no manainga ny Malagasy. [2.298#]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
14  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  15  Fikambanana 5 amin' io teny io
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)17  manaingà
Fototeny  18 ainga
Sokajin-teny  19  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manainga [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Fivaditsoratra  20 maingaña, manaingà, manainga, 21 manangia, 22 mangaina, mangaiña, 23 miangana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27