|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  manentana
Fototeny  2 entana
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Manainga, mibata: Iza no hanentana ny vilany?
5 Manetsiketaika: Tokony hanentana ho amin' ny tsara mandrakariva isika rehefa mikabary [1.1]
6 manainga, manetsiketsika [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  7 soulever, lever, transporter; faire tressaillir, saisir [1.3#127]
8 sensibiliser [1.13]
Ohatra  9  manentana ny tantsaha hanao ity voly ity ny tekinisianina. [2.445#]
10  Ny fihararetran' ny fahavelomana ao anaty no manentana ny fahavelomana etý [2.285#]
11  Eo andaniny indray kosa, hery manentana, mampijoro sy mamelombelona ireo rafitra eo ambaniny ireo. [2.606#]
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  16 manentan-tsy ritra

Teny iditra (2/2)17  manentàna
Fototeny  18 entana
Sokajin-teny  19  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manentana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  20 manantane, 21 manantenà, manantena, manentàna, manentana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27