|
|
|
|

Entry (1/2)1  mihodinkodina
Root  2  hodinkodina
Part of speech  3  active verb
Examples  4  I Vola io aza izao ohatra ny mihodinkodina ny fahitako azy. [2.4]
Morphology 
5  Present :
6  Past :
7  Future :
Proverbs  8  Proverbs containing that word

Entry (2/2)9  Mihodinkodina
Elementary words  10  mihodinkodina
Part of speech  11  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  12  Literature: poems
Author  13  Mahaleo
Full text  14  Mihodinkodina leitsy an!
Ity tanintsika ity
Mba mahaiza fetsifetsy an!
Sao ialahy dia mikodia
Misy ambony misy ambany an!
Fombany ihany io lery e!
Izay mirodana aoka ho any an
Hikorisa, hikodia e
Izay mirodana aoka ho any an
Hikorisa, hikodia e

15  Ts’iza hono izy fa akama !
Niara-niaina tamin’i ty
Tanaty fotaka malama
Tanaty trano fatim-by
Resabe avokoa
Ny tabataban-dry zalahy e!
Mody hoe hanao soa
Kanjo hitsentsitra an’ialahy e!
Mody hoe hanao soa
Kanjo hanaikitra an’ialahy

16  Nony azony ny toerany
Mikarama vola be
Ny sakafonao no ferany
Izy anie ka be kile
Eo ialahy vao midanaka
Hoe tena dadany ilay aka
Nefa ialahy efa voadaka
Lôvy tsy nahazo laka
Nefa ialahy efa voadaka
Fa lasan’olona ny laka


Anagrams  17 Mihodinkodina, mihodinkodina

Updated on 2025/10/12