|
|
|
|

Teny iditra1  mirahalahy
Fototeny  2 rahalahy
Sokajin-teny  3  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  4 Enti-milaza ny fifatoram-pihavanana misy amin' ny lehilahy roa na maro iray ray sy iray reny: Mirahalahy Rabe sy Rakoto [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to be two brothers, to be brothers. If more than two are meant, the number must be expressed. [1.2]
6 who are brothers [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 être frères (entre hommes) [1.54]
8 qui sont frères [1.8]
Ohatra  9  Dia lasa niakatrakatra izy mirahalahy, ka nandray ny bisikileta ary nitarika azy moramora niditra nankao amin'ny tanàna [2.324]
10  Pataloha roa aman'olona sy satroka penjy iray avy koa, no nomeny azy mirahalahy sy azy mianadahy avy [2.470]
11  Iny no fara fihaonanay mirahalahy [2.472]
Voambolana  12  Fifandraisana: fianakaviana
Mpanahaka  13  mirahavavy
Ohabolana  14  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17