|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mitsofoka |
| Fototeny | 2 tsofoka |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 Miditra ao anatin' ny...: Nitsofoka tamin' io trano io izy
5 Misisika: Nitsofoka tao ampovoan' ny vahoaka ilay mpangalatra dia tsy hita intsony izay nalehany 6 Miditra, mitsabaka: Aza mba mitsofoka amin' io raharaha io ianao sao ho sahirana [1.1] 7 miditra lalina [1.13] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 pénétrer, s'introduire
[1.13] |
| Ohatra |
9 Tsy sahy nitsofoka elakela-trano loatra izahay roa lahy fa malaza ho tia tsatok' antsy ny Somaliana.
[2.471]
10 Izay tsy te hanao izany, dia mitsofoka haingana any an-trano, na mandositra lavitra nylalana raha any an-tsaha. [2.472] |
| Haiendriteny |
|
| Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|