|
|
|
|

Teny iditra1  mivadika
Fototeny  2 vadika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo
5 Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
6 Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
7 Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
8 Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
9 Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha [1.1]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Mpanahaka  14  maladyofana, 15  manaotsimbadiboanampotsy, 16  manaotsimbadikamponga, 17  mangalabelirano, 18  miodina, 19  miovafenitra, 20  miroalela, 21  mitsoapahana, 22  mitsoakanytenynatao, 23  mitsoakaorimbato, 24  mivadibadikatoalelamay
Kamban-teny rehetra  25  Fikambanana 27 amin' io teny io
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09