|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1 namana
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 vady [Tambahoaka, Sihanaka, Tanala] [1.78]
4 andefimandry [Tanala] [1.78]
5 Olona miara-dava amin' ny tena noho ny fifankahazoan-tsaina sy fitovian-toetra: Namana tsy mahafoy an-dRabe Rakoto
Ny olona manodidina anao na ny olombelona hafa rehetra: Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao
Enti-milaza ny iray amin' ireo zavatra mandeha roa lalandava, na lomisy: Ny kofehy no naman' ny fanjaitra / Tsy hitako ny nalehan' ny naman' ity kiraro ity
Mitovy, azo alahatra amy..., azo heverina ho toy ny...: Ny manafina zavatr' olona, hono, naman' ny mangalatra / Tonga tsy miarahaba naman' ny tezitra, lasa tsy manao veloma naman' ny sosotra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 a companion, a partner, a comrade, a neighbour. See sakaiza, havana. [1.2]
7 a companion, a neighbor; an accomplice; a thing that belongs with something else, as one of a pair [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 compagnon [1.3#449, 1.8]
9 Prochain, complice; ce qui fait la paire, ce qui va avec d’autres, ce qui est uni avec d'autres objets [1.3#449]
10 voisin; comparse; une chose qui va avec une autre, comme l'un d'une paire, partenaire [1.8]
Ohatra  11 Nigagana ny fahanginana ny namana. [2.270#]
12 Misy ny olona dia , saro-tiana sy tsy matoky namana! [2.4#]
13 Nahoana ise no tsy te hanatri-maso ity namana fahiny? [2.895#]
Sampanteny 
Anarana :
Kamban-teny rehetra  15Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  16 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)17 Namàna
Sokajin-teny  18 anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny anglisy  19 Naaman [2.996]
Fanazavàna teny frantsay  20 Naaman [2.996]
Voambolana  21 Soratra Masina
Teny nalaina avy amin' ny Baiboly  22Toko sy andininy momba Namàna

Fivaditsoratra  23 manàna, Manana, manana, mañaña, mañana, 24 Namàna, namana

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/03