|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  ndry
Sokajin-teny  2  tenim-piontanana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Enti-milaza figagana na fijaliana amam-pahoriana, arakaraka ny angolam-peo ilazana azy:
4 Ndre! mahafinaritra izany ety an-tampon-kavoana! / Ndre! manaintaina ny ratrako izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 showing surprise or pain; what ? oh ! [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6 indique la surprise ou la douleur [1.8]
Ohatra  7  ndry, fangaha misy marary ato aminareo? [2.472]
Tsipelina hafa  8 ndre

Teny iditra (2/2)9  ndry
Sokajin-teny  10  mpisolo anarana [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  11 Mpisolo anarana misolo olona ifampiantsoan' ny samy vehivavy ny namany, mitovy hevitra amin' ny "ianao", saingy milaza fifankazarana lehibe: Ho aiza indry rahariva? [1.1]
Tsipelina hafa  12 indry
Tovy hevitra  13 ndriako
Tsanganana sy sary iray takila  14  Ny mpisolo rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17