|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  rambon-damba
Singan-teny  2 rambo, 3 lamba
Sokajin-teny  4  anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 ny vola entina mitsapa alahelo ny mana-manjo. Anarana enti-milaza ny vola famangiana amin' ny fahoriana, raha toa ka efa voalevina ny razana no tonga mamangy (efa voalevina mifono lamba ny maty, ka ny famangiana manaraka aty aoriana dia toy ny rambo manaraka ny lamba). (Jer. koa: ranombary tsy masaka, solontsosoa, fao-dranomaso, kofehy, solon-kofehy, zara levenana) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 a gift brought at the time of a funeral [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 participation financière apportée à un enterrement [1.8]
Ohatra  8  Sasao madio dia madio ny fery, dia alaina ny fangoka (rambondamba) sy ny lavenon-dambarano sy ny kelihomandrà (bozaka mandady tahaky ny sofin-totozy), ahandroina ny vary sosoa ridritra atao aman-dravina atao mahamay; [2.48]
Voambolana  9  Teny fanajana

Teny iditra (2/2)10  rambon-damba
Singan-teny  11 rambo
Sokajin-teny  12  anarana
Fanazavàna teny anglisy  13 The fag-ends of a cloth, the thread left unwoven. [1.2]
14 the end of a piece af weaving [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15 frange au bout d'une étoffe qu'on tisse [1.8]
Voambolana  16  Toe-karena: zaitra

Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12