|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 sarotra |
| Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 lafo, sarobidy
[Bezanozano]
[1.78] 4 Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity 5 Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome 6 Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany 7 Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra 8 Lafo vidy: Sarotra ny vary izao [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9 difficult; selfish, hard to get along with; costly
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 difficile
[1.3, 1.8] 11 ardu, périlleux, pénible, dangereux 12 cher, coûteux, ruineux 13 avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant [1.3] 14 égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher [1.8] |
| Ohatra |
15 sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany.
[2.324]
16 Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy. [2.470] 17 Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao [2.996] |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Mpanahaka | 39 hangana, 40 hentona, 41 lafo |
| Kamban-teny rehetra | 42 Fikambanana 49 amin' io teny io |
| Ohabolana | 43 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | sarotra, 44 Soratra, soratra, 45 tsarôra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27 |
|