|
|
|
|

Teny iditra1  sarotra
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 lafo, sarobidy [Bezanozano] [1.78]
4 Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra ~ Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin' ity varavarankely ity
5 Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome
6 Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin' ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany
7 Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra
8 Lafo vidy: Sarotra ny vary izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 difficult; selfish, hard to get along with; costly [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 difficile [1.3, 1.8]
11 ardu, périlleux, pénible, dangereux
12 cher, coûteux, ruineux
13 avare, ladre, intéressé, égoïste, sévère, exigeant [1.3]
14 égoïste, difficile à vivre; qui coûte cher [1.8]
Ohatra  15  sarotra ny mampiditra resaka, hoy Ilaimanga fa hoatry ny haninona ihany. [2.324]
16  Mbola tsy nahita aho aloha fa sarotra ny mandainga, hoy ny rainy. [2.470]
17  Lehibe aman-tsaro-boasana ny fitsaranao [2.996]
Haiendriteny 
18  Tsotra :
19  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  39  hangana, 40  hentona, 41  lafo
Kamban-teny rehetra  42  Fikambanana 49 amin' io teny io
Ohabolana  43  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  sarotra, 44 Soratra, soratra, 45 tsarôra

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27