|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  sosoka
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Kofehy asisika amin' ny fahan' ny lamba iray efa misy marambato mba hanamafy azy
4 Izay anampy ny efa misy
5 Izay ambolena asolo ny efa tsy naniry [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  6 reprise [1.13]
7 (sens général : ce que l'on intercale ; le bois tendre servait à faire les couvre-joints) [Tanala] [1.196]
Ohatra  8  Novidina vaovao ihany daholo izany akanjonay rehetra izany, saingy ela mihitsy vao nisolo, ka zary efa feno sosoka sy tampitampina daholo. [2.472]
9  Ahoana no tsy hiresahina etoana ny Lalàmpanorenan' i Etazonia, izay tsy niova hatramin' ny nanoratana azy tamin' ny 1787 kanefa nohatevenina tamin' ny sosoka fito amby roapolo tao anatin' ny 220 taona? [4.27#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  22  Toe-karena: zaitra
Kamban-teny rehetra  23  Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (2/2)24  sosoka
Sokajin-teny  25  anarana
Fanazavàna teny frantsay  26 Protorhus sericea Engl. (Anacardiaceae). [Tanala] [1.196]
Voambolana  27  Haizavamaniry
Anarana ara-tsiansa 

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09