|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/5) | 1 terỳ |
| Sokajin-teny | 2 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny
[1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
4 passé de erý
[1.3] |
| Teny iditra (2/5) | 5 terỳ |
| Sokajin-teny | 6 tambinteny [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
7 Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy
8 Teo no ho eo, indray mipy maso [1.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
9 subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup)
[1.3] |
| Teny iditra (3/5) | 10 tery |
| Sokajin-teny | 11 mpamaritra |
| Fanazavàna teny malagasy |
12 Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy
13 Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity 14 Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany 15 Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
16 pressed; distressed; narrow
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
17 serré; étroit; exigu; en détresse
[1.8] |
| Ohatra |
18 ny làlana tery sady ratsy
[2.113#]
19 Voageja manodidina aho sady tery [2.643#] |
| Sampanteny |
|
| Kamban-teny rehetra | 41 Fikambanana 20 amin' io teny io |
| Ohabolana | 42 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (4/5) | 43 tery |
| Sokajin-teny | 44 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
45 Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany
46 Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono [1.1] |
| Teny iditra (5/5) | 47 tery |
| Sokajin-teny | 48 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
49 zozoro maina fanao trano
[Sihanaka]
[1.78] |
| Fanazavàna teny frantsay |
50 (dans le sens de : pressé). Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem. & Schult. ( (Cyperaceae). Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons.
51 D'après Rabe cité par A. Grandidier. [Sihanaka] [1.196] |
| Anarana ara-tsiansa |
|
| Fivaditsoratra | 53 etry, 54 rety, terỳ, tery |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27 |
|