|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  terỳ
Sokajin-teny  2  ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Endriky ny mpamaritra erý fampiasa anin' ny lasa, entina hilazana toerana lavidavitra nefa mbola takatry ny maso tsara ary tondroina amin' ny tanana: Terý ambody hazo terý no nahitan' ny fokonolona ny fatiny [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  4 passé de erý [1.3]

Teny iditra (2/5)5  terỳ
Sokajin-teny  6  tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  7 Noho izany antony izany, teo no ho eo tsy nampoizina: Maty terý ny anao lahy
8 Teo no ho eo, indray mipy maso [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9 subitement, tout à coup, à l'instant même: Maty terỳ izy (Il est mort en un instant, d'un coup) [1.3]

Teny iditra (3/5)10  tery
Sokajin-teny  11  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  12 Tsy malalaka ka toy ny voageja ny zavatra ao anatiny: Tery ity kiraroko ity ka mahafadiranovana ahy
13 Voageja azon' ny hakelezan' ny toerana misy ny tena, na akanjo anaovana: Tery ny valahako amin' ity akanjo ity
14 Poritra: Terin' ny vahoho ny tanany
15 Poritra, sahirana mafy: Samy tery amin' ny raharahany ny olona ~ Terin' ny volan' olona izy ka mamono tena miasa [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  16 pressed; distressed; narrow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  17 serré; étroit; exigu; en détresse [1.8]
Ohatra  18  ny làlana tery sady ratsy [2.113#]
19  Voageja manodidina aho sady tery [2.643#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Tambinteny :
Kamban-teny rehetra  41  Fikambanana 20 amin' io teny io
Ohabolana  42  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (4/5)43  tery
Sokajin-teny  44  anarana
Fanazavàna teny malagasy  45 Fampanaovana ankeriny tsy araka ny sitrapo: Tery no nanekeko izany
46 Fanapotserana na famihinana ny tohatr' omby hivoahan' ny ronono [1.1]

Teny iditra (5/5)47  tery
Sokajin-teny  48  anarana
Fanazavàna teny malagasy  49 zozoro maina fanao trano [Sihanaka] [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  50 (dans le sens de : pressé). Cyperus madagascariensis (Willd.) Roem. & Schult. ( (Cyperaceae). Nom donné surtout aux exemplaires de grande taille qu'on aplatit pour faire des cloisons.
51 D'après Rabe cité par A. Grandidier. [Sihanaka] [1.196]
Anarana ara-tsiansa 

Fivaditsoratra  53 etry, 54 rety, terỳ, tery

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27