|
|
|
|

Entry1  tsindrimpeo
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra. Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: renitsindrimpeo (tsindrimpeon' ilay reny teny farany: ankizy kely maro); zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; tsindrimpeofototra (tsindrimpeompototeny: levona); tsindrimpeoampanovanana na nikisaka: levonina
4  [1.146#18] Amin' ny teny malagasy rehetra misy vaninteny mihoatra ny tokana, dia misy vaninteny iray izay tsindrian' ny feo mafimafy kokoa eo am-panononana, ka io io no atao hoe vaninteny misy ny tsindrimpeo. Ohatra: mipetraka, rehetra, akany.
Saiky mandrakariva, amin' ny vaninteny voalohany ihany no misy ny tsidrimpeo amin' ny teny roa sy telo vaninteny. Ohatra: rindrina, fototra, trano, tafo.
Raha misy teny roa mitovy fanoratra kanefa samy hafa ny vaninteny misy ny tsindrimpeo ao aminy avy, dia asiana ny mari-tsindrimpeo (
) ilay tsy manara-dalàna. Ohatra: tanana (manara-dalàna io araka ny voalaza etsy ambony) ; tana (tsy manara-dalàna kosa io).
Explanations in French  5  [1.13] accent d'intensité, accent tonique
Vocabulary  6  Linguistics
Elementary words  7  tsindry, feo
Compound words 

Updated on 2025/04/25