|
|
|
|

Entry1  tsipipanohizana
Part of speech  2  noun
Elementary words  3  tsipika, fanohizana
Explanations in Malagasy  4  [1.146#21] Misy roa ny fomba famonoana tarehintsoratra na vaninteny tsy voalaza raha manoratra, dia ny solonjanatsoratra sy ny tsipipanohizana. Ny tsipipanohizana ( - ) dia ampiasaina raha misy teny roa mifanarakaraka ka miantomboka amin' ny renisoratra ilay faharoa, ary amin' ilay voalohany misy vaninteny iray maty: "ka", na "tra", na ny tarehin-tsoratra "a" amin' ny "na". Ohatra: lavaka trandraka = lava-trandraka ~ folaka roa = fola-droa ~ sampina havanana = sampin-kavanana
Explanations in English  5  [3.1] hyphen
Explanations in French  6  [1.8, 1.13] [tsipi-panohizana] trait d'union
Vocabulary  7  Linguistics
Tables and plates  8  Punctuation marks

Updated on 2025/07/29