|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Tsy hitony tsy akory |
| Singan-teny | 2 tsy, 3 mitony, 4 akory |
| Sokajin-teny | 5 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 6 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
7 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Lahatsiratra manontolo |
8 9 Na dia misy olon-tiana 10 Hanakely ny mahory, 11 Sy hitondra hafaliana - 12 Tsy hitony tsy akory ! 13 Na dia misy anjely soa 14 Hanafoana sorisory, 15 Sy hamalifaly koa - 16 Tsy hitony tsy akory 17 Na dia manan-kery aza 18 Ny fitia mamorivory, 19 Dia sahiko ny milaza: 20 Tsy hitony tsy akory ! 21 Tsy hitony tsy akory 22 Fa diso ny finoana 23 Ry raozy e, esory 24 Ny tsilo manoloana. 25 Tsy hitony tsy akory 26 F' efa diso fanantena ! 27 Ny foko avela hatory, 28 Hanadino e, ry sena ! 29 Eny indrisy ! tsy hitony 30 Fara hery : manadino. 31 Fa ny tsy ho tia intsony 32 'Zany kosa, aza mino ! |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|