|
|
|
|

Teny iditra1 voninahitra
Singan-teny  2vony, 3ahitra
Sokajin-teny  4 anarana
Fanazavàna teny malagasy  5 Fankatoavana olona noho ny hatsaram-panahiny na fahaizany na zavatra lehibe vitany: Nahazo voninahitra izy tamin' ny nandreseny ny fahavalo
Fiamboniana, fiandrianana: Nitandro mafy ny voninahiny izy ka tsy nanaiky ny hiray tetika amin' ny olon-dratsy
Mariky ny hambonian-toerana na laharana ananana eo amin' ny firenena: Natao roa ambin' ny folo voninahitra izy
Dera sy laza: Voninahitra anie ho an' ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6 glory, honor [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 gloire, honneur [1.3, 1.8]
8 grade, dignité [1.3]
9 (de vony : fleur et ahitra : les herbes, notamment les Poaceae). Nom qui a pris le sens abstrait de : honneurs, grades militaires, dignité, etc. Les rois malgaches se comparaient eux-mêmes aux fleurs des Poaceae ; leur peuple représentant les racines et les tiges, d'où la notion de solidarité entre le peuple et son roi : si les tiges se fanent, la fleur est également détruite [1.196]
Ohatra  10 tamin' ny Alakamisy 3 Septembre 1868 no nisehony tamim-boninahi-lehibe tao Andohalo [2.649#1111]
11 nampodina avokoa ny voninahitry|voninahitro izay niongana tamin dReniny, dia nody ny voninahitry|voninahitro [2.59#32]
12 Ary ny manamboninahitra irak' andriana niaraka tamin-dRainiliza 15 voninahitra sy Rainiboana 15 voninahitra sy Ratsimitamby 14 voninahitra sy Rainivaomialy 13 voninahitra [2.366]
Haiendriteny 
13 Tsotra :
14 Tovonana :
Mpanahaka  15 vtra, 16 vtra
Kamban-teny rehetra  17Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  18 Ohabolana misy io teny io
Teny nalaina  19 Soratra misy io teny io
Lahatsoratra  20Randzavola: voninahitra ao amin' ny Baiboly

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02