|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  zavatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Izay rehetra misy na hita vatana izany na an' eritreritra: Ny fanahy dia zavatra manan-tsaina fa tsy manam-batana na ren' ny fandrenesana
4 Teny ilazana izay rehetra tsy manana aina, izany hoe: tsy zavamaniry na biby na olona: Hividianana ny zavatra ilaina amin' ny fiainana no ilana ny vola ~ Ny akalana dia zavatra ampiasain' ny mpivarokena mba hikapany ny taolana
5 Teny ilazana toe-draharaha araka ny nisehoany: Tantarao amiko tsara ny zavatra rehetra
6 Teny ilazana izay heverina ho tsara, ho ambony: Izany ka tena zavatra! ~ Manao azy ho zavatra io tovolahy io [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 a thing [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 chose; objet [1.3#870, 1.8]
9 le beau, le parfait, le principal [1.3#870]
10 objet appartenant à autrui ou à soi, chose [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Ohatra  11  zavatra, zavatra, zavatra, zavatra, hoy ny lahy nampandihy soroka sy nalaina hanazava tsara ny valin' ny fanontaniana [2.470]
12  Ary angamba rehefa hangata-javatra izy amin' ny manaraka, tsy hahazo intsony [2.472]
13  Ary ny mpitondra zavatr' andriana: [2.48]
14  Fofon' ain' ny herin' Andriamanitra izy, zavatra avy amin' ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana. [2.996]
Haiendriteny 
15  Tsotra :
16  Tovonana :
17  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpanahaka  21  raha
Kamban-teny rehetra  22  Fikambanana 91 amin' io teny io
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)24  zavatra
Sokajin-teny  25  anarana
Fanazavàna teny malagasy  26 Teo amin' ny finoan' ny Ntaolo, karazana fanahy ratsy tsy fantatra, ivelan' ny olombelona, izay mety hanimba azy ka natahorany: Rano misy zavatra io ka tandremo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  27 a spirit of some sort [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  28 fantôme [1.3#870, 1.8]
29 sorcellerie, charme, mauvais esprit, revenant [1.3#870]
30 esprit [1.8]
Haiendriteny 
31  Tsotra :
32  Tovonana :
Kamban-teny rehetra  33  Fikambanana 4 amin' io teny io
Ohabolana  34  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09