|
|
|
|

Entry (1/3)1  raha
Part of speech  2  conjunction [Full list]
All compound words  3  38 words containing raha
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola
Explanations in English  5  [1.2, 1.7] when, if
6  [1.2] as for, since
7  [1.7] when and if
Explanations in French  8  [1.3#498, 1.8] si, quand
9  [1.3#498] lorsque
Examples  10  [2.470] raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana.
Analogs  11  fony, nony, rehefa

Entry (2/3)12  raha
Part of speech  13  noun
All compound words  14  22 words containing raha
Explanations in Malagasy  15  [1.78] [Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala] zavatra
16  [1.78] [Tanala] anona
17  [1.1] Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io
Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha
Explanations in English  18  [1.2#488] [Provincial] for raharaha and zavatra
Explanations in French  19  [1.3#498] [Provincial] chose, comme zavatra
20  [1.13] substance
21  [1.405] [Sakalava-Mayotte] quelque chose, chose, objet
Proverbs  22  Proverbs containing the word raha

Entry (3/3)23  Raha
Part of speech  24  name (poem title) [Full list]
Elementary words  25  raha
Vocabulary  26  Literature: poems
Author  27  Ratany Samuël
Full text 
28  Raha sendra midona ny voalohan' orana,
29  Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ;
30  Raha vorona ompiana no tapa-patorana,
31  Kefa ny mpiompy tsy rototra firy;

32  Raha sendra ka ravan-tadio ny akany,
33  Kanefa tsy taitran' izany ny fody ;
34  Raha zaza tinaiza no re mitomany,
35  Ny reniny anefa tsy mahalala mody ;

36  Raha fo te-hiverina vonon-kifona,
37  Kinanjo mitodika voatsipi-drora;
38  Raha toa fanekena sendra midona,
39  Kanefa voatifitry ny harika mora ;

40  Raha volana maro no niandry fitia,
41  Kanefa tsy misy minitra hifaliana;
42  Raha toa efa tony ny rano maria,
43  Ny lakana anefa tsy manim-podiana;
44  Raha sendra mba taitra ny fo nanantena,
45  Kanefa ny tiana vao maika matory ;
46  Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena,
47  Kanefa voavadiky ny andro mahory;

48  Raha sendra mitsiky maraina ny lisy,
49  Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo
50  Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy
51  Tandindona akory tonga hisolo

52  Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ?
53  Miangatra ve ny lalàn' ny tany ?

54  Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy,
55  Raha ny efa mivadika indray no mivalo,
56  Dia miova ny lahatra sy ny safidy
57  Ka lasa ho tompony ilay natakalo.

58  Raha toa mpisompatra indray no ho marina,
59  Izay no atao hoe : Fitia nangalarina;
60  Raha ny efa tsy tia no tiavina indray,
61  Aleo dia mamoy azy mandrakizay.

Anagrams  62  hara, raha, Raha

Updated on 2025/08/10