| 
 | 
| | | |  | 
  | 
| 
	<- ->  | 
[King James Bible] Genesis  | 
[Baiboly 1865] Fiandohana na Genesisy  | 
[Baiboly Katolika] Fiandohana na Jenezy  | 
[Bible de Jérusalem] La Genèse  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| 
<-
 ->  | 
  | 
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:1 | And it came to pass in the days of  | 
Ary tamin' ny andron' i Amrafela. mpanjakan' i Sinara, sy Arioka, mpanjakan' i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan' i Elama. ary Tidala. mpanjakan' ny Goima, | Tamin' ny andron' i Amrafela, mpanjakan' i Senaara, sy Ariòka, mpanjakan' i Elasara, sy Kodorlahomora, mpanjakan' i Elama, ary Tadala, mpanjakan' i Goima, | Au temps d'  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:2 | That these made war with  | 
dia nandeha izy ireo ka nanafika an' i Bera, mpanjakan' i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan' i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan' i Adma, sy Semebera, mpanjakan' i Zeboima, ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany). | dia sendra rafitra ady izy ireo tamin' i Barà, mpanjakan' i Sodoma sy Bersà, mpanjakan' i Gomora, sy Senaaba, mpanjakan' i Adamà, sy Seneber, mpanjakan' i Seboima, ary ny mpanjakan' i Balà, dia Segora izany. | ceux-ci firent la guerre contre  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:3 | All these were joined together in the vale of  | 
Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan' i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany). | Nivory tao an-dohasahan' i Sidima, dia ny ranomasin-tSira izany, ireto an-daniny farany ireto; | Ces derniers se liguèrent dans la vallée de  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:4 | Twelve years they served  | 
Fa efa nanompo an' i Kedorlaomera roa ambin' ny folo taona ireo, fa tamin' ny taona fahatelo ambin' ny folo kosa dia niodina izy. | fa efa nanoa an' i Kodorlahomora roa ambin' ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin' ny taona fahatelo ambin' ny folo. | Douze ans ils avaient été soumis à  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:5 | And in the fourteenth year came  | 
Ary tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima | Nony tamin' ny taona fahefatra ambin' ny folo anefa, niainga Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarota-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin' ny tany lemak' i Kariataima; | En la quatorzième année, arrivèrent  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:6 | And the  | 
ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan' ny efitra. | ary ny Horeana teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El-Faràna, izay ao akaikin' ny efitra. | les  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:7 | And they returned, and came to  | 
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an' ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara. | Rahefa izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan' i Fitsarana, dia Kadesa izany, ka namely ny tanin' ny Amalesita rehetra mbamin' ny Amoreana izay nonina tany Asason-Tamara. | Ils firent un mouvement tournant et vinrent à la Source du Jugement c' est  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:8 | And there went out the king of  | 
Dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora sy ny mpanjakan' i Adma sy ny mpanjakan' i Zeboima ary ny mpanjakan' i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin' ireo teo an-dohasahan' i Sidima, | Tamin' izay no nivoahan' ny mpanjakan' i Seboima, ary ny mpanjakan' i Balà, dia Segora izany, nilahatra tao an-dohasahan' i Sidima hiady tamin' ireo, | Alors le roi de  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:9 | With  | 
dia tamin' Kedorlaomera, mpanjakan' i Elama, sy Tidala, mpanjakan' ny Goima sy Amrafela, mpanjakan' i Sinara ary Arioka, mpanjakan' i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin' ny mpanjaka dimy. | dia tamin' i Kodorlahomora, mpanjakan' i Elama, Tadala, mpanjakan' i Goima, Amrafela, mpanjakan' i Senaara, ary Ariòka, mpajakan' i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo. | contre  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:10 | And the vale of  | 
Ary ny lohasahan' i Sidima, dia be lavak' asfalta, ary nandositra ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. | Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan' i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan' i Sodoma sy ny mpanjakan' i Gomora ka latsaka tamin' ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. | Or la vallée de  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:11 | And they took all the goods of  | 
Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha. | Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora, mbamin' ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy. | Les vainqueurs prirent tous les biens de  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:12 | And they took  | 
Ary namabo ny zana-drahalahin' i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin' ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. | Lota zana-drahalahin' i Abrama dia nobaboin' izy ireo hatramin' ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sodoma Lota. | Ils prirent aussi  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:13 | And there came one that had escaped, and told  | 
Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin' i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan' i Mamre Amorita, rahalahin' i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin' i Abrama. | Dia tonga ny anankiray tamin' ireo mpandositra nilaza izany tamin' i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin' ireo terebintan' i Mambre, dia ilay Amoreana rahalahin' i Eskola sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin' i Abrama ireo. | Un rescapé vint informer  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:14 | And when  | 
Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin' ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana. | Vao ren' i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin' ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin' ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo. | Quand  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:15 | And he divided himself against them, he and his servants, by night, and smote them, and pursued them unto  | 
Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr' i Damaskosy. | Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovok' alina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hoba, ao an-kavian' i Damasy. | Il les attaqua de nuit en ordre dispersé, lui et ses gens, il les battit et les poursuivit jusqu'à  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:16 | And he brought back all the goods, and also brought again his brother  | 
Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin' ny vehivavy sy ny vahoaka. | Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa Lota rahalahiny, mbamin' ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra. | Il reprit tous les biens, et aussi son parent  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:17 | And the king of  | 
Dia nivoaka ny mpanjakan' 1 Sodoma hitsena an' i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan' ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an' i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. | Nony efa nandresy an' i Kodorlahomora sy ireo mpanjaka nomba azy Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan' i Sodoma, hitsena azy tao an-dohasahan' i Save, dia ny lohasahan' ny mpanjaka izany. | Quand  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:18 | And  | 
Ary Melkizedeka, mpanjakan' i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron' Andriamanitra Avo Indrindra. | Melkisedeka mpanjakan' i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron' Andriamanitra avo indrindra izy. | |||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:19 | And he blessed him, and said, Blessed be  | 
Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin' Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; | Dia nitsodrano an' i Abrama izy nanao hoe: Hanisy soa an' i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra izay nahary ny lanitra sy ny tany. | Il prononça cette bénédiction : Béni soit  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:20 | And blessed be the most high  | 
Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen' i Abrama azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra. | Ary isaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tànanao. Ary Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon' ny zavatra rehetra. | et béni soit le  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:21 | And the king of  | 
Ary hoy ny mpanjakan' i Sodoma tamin' i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. | Dia hoy ny mpanjakan' i Sodoma tamin' i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao. | Le roi de  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:22 | And  | 
Fa hoy Abrama tamin' ny mpanjakan' i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin' i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, | Fa hoy Abrama tamin' ny mpanjakan' i Sodoma: Izaho efa nanangan-tànana tamin' ny Tompo Andriamanitra avo indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, | Mais  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:23 | That I will not take from a thread even to a shoelatchet, and that I will not take any thing that is thine, lest thou shouldest say, I have made  | 
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin' izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an' i Abrama), | fa tsy haka amin' izay rehetra mety ho anao, hatramin' ny singan-taretra ka hatramin' ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: Izaho no nampanan-karena an' i Abrama. | ni un fil ni une courroie de sandale, je ne prendrai rien de ce qui est à toi, et tu ne pourras pas dire : J' ai enrichi  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Gen / Jen 14:24 | Save only that which the young men have eaten, and the portion of the men which went with me,  | 
afa-tsy izay efa nohanin' ny zatovo sy ny anjaran' ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin' ireo ny anjarany. | Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin' ny zatovo, sy ny anjaran' ny olona momba ahy dia Anera sy Eskola ary Mambre; ireo dia haka ny anjarany. | Rien pour moi. Seulement ce que mes serviteurs ont mangé et la part des hommes qui sont venus avec moi,  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| 
<-
 ->  | 
  | 
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| 
	<- ->  | 
[King James Bible] Genesis  | 
[Baiboly 1865] Fiandohana na Genesisy  | 
[Baiboly Katolika] Fiandohana na Jenezy  | 
[Bible de Jérusalem] La Genèse  | 
||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| 
 |