|
|
|
|

Entry (1/2)1  alatsinainy
Part of speech  2  noun
All compound words 
Explanations in Malagasy  6  [1.10] (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.
7  [1.1] andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.

Explanations in English  8  [1.2] Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.]
9  [1.7] Monday.
Explanations in French  10  [1.3, 1.8] le lundi.
11  [1.5] lundi.
12  [1.6] [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]
Explanations in Italian  13  [1.18] lunedi
Explanations in German  14  [1.56] Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den...
Examples  15  [2.470] Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay.
16  [2.472] Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose.
Vocabulary  17  Time
Hyperonym 
Co-hyponyms 
Tables and plates  27  Measure of Time

Entry (2/2)28  Alatsinainy
Part of speech  29  name (toponym) [Full list]
Elementary words  30  alatsinainy
Explanations in Malagasy  31  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Explanations in English  32  [1.2] the place of holding Monday's market.
Explanations in French  33  [1.3] noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.
34  [1.5] marché du lundi.
Vocabulary  35  Geography: towns

Anagrams  36  alatsinainy, Alatsinainy, anasitilian, atsilaninay, nanasitilia

Updated on 2025/08/10