|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  adika
Fototeny  2 dika
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4 Alaina tahaka: Adikao ireo soratra hitanareo amin' ny solaitrabe ireo
5 Avadika amin' ny fiteny hafa: Nadikan-dRabe tamin' ilay vazaha ny tenin' i dada
6 Ampandalovina eo ambony: Aza fady fa adikako anao ity lovia ity
7 Lazaina, taterina: Ka angaha tsy loza fa nadikany tamin' ny mpampiasa ilay teninao teto omaly iny
8 Heverina: Nadikany ho tsy fitiavana azy ny fanakianana ny nataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 used of that which is used to overstep something else, or translated from one language into another [1.2]
10 to be copied; to be translated [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 qu'on copie ; qu'on traduit [1.3, 1.8]
12 qu'on fait passer par dessus [1.3]
13 qu'on interprète, qu'on transcrit [1.3]
Ohatra  14  Telo na efatra ny teny hebreo nadika toy izany [1.38]
15  Azo adika ho finiavan' ny mpitondra hametraka fitondrana tsy refesi-mandidy ve izany? [4.27]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :

Teny iditra (2/3)20  adika
Sokajin-teny  21  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  22 manetsa [Taifasy] [1.78]

Teny iditra (3/3)23  adika
Sokajin-teny  24  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  25 manadino [Betsileo] [1.78]

Fivaditsoratra  adika, 26 akady, 27 akida, 28 daika, daikà, 29 diaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/26