|
|
|
|

Teny iditra1  Avaradrano
Singan-teny  2 avaratra, 3 rano
Sokajin-teny  4  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  5 Andriamasinavalona, izay nahavory voalohany an' Imerina, dia nizara azy ho efa-toko.
6 ka Avaradrano no nataony filaharana voalohany (1675-1710).
7 -- Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina dia nitatra ny faritr' Imerina,
8 ka nozarainy enim-toko izy, dia
9 (1) Avaradrano,
10 (2) Vakinisisaony,
11 (3) Marovatana,
12 (4) Ambodirano,
13 (5) Vonizongo,
14 (6) Vakinankaratra.
15 -- Mizara telo indray Avaradrano, dia:
16 (a) Tsimahafotsy, Ambohimanga no renivohiny;
17 (b) Tsimiamboholahy, Ilafy no renivohiny;
18 (d) Mandiavato, Ambohidrabiby no renivohiny.
19 Andranobevava eo atsimon' Analamahitsy, izay rano be mangeniheny tany aloha, no farany
20 atsimo amin' Avaradrano, ka izany no naha-Avaradrano azy... [1.10#78.450]
Fanazavàna teny frantsay  21 le plus célèbre des six territoires de l'Imerina
22 d'où est sorti celui qui devait porter le nom
23 d'Andrianampoinimerina
24 et dont les trois bourgs principaux furent à cette époque
25 Ambohimanga (Tsimahafotsy),
26 Ilafy (Tsimiamboholahy)
27 et Ambohidrabiby (Mandiavato).
28 Le territoire est situé sur la rive nord de la rivière
29 Andranobevava, d'où le nom qu'on lui a donné. [1.11]
Ohatra  30  Inona no mahalatsaka an'avaradrano noho Antananarivo? [1.336#]
31  koa raha resiny avaradrano, dia baboiny to'izany koa. [2.59#]
32  Novonoina ireo vehivavy tamin'avaradrano nisehoan'ny kabary. [2.298#]
Voambolana  33  Haitoetany: firenena, foko
Mpanahaka  34  ambodirano, 35  ambodirano, 36  imerinaenintoko, 37  imerinaenintoko, 38  marovatana, 39  marovatana, 40  vakinankaratra, 41  vakinankaratra, 42  vakinisisaony, 43  vakinisisaony, 44  vonizongo, 45  vonizongo
Ohabolana  46  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17