|
|
|
|

Entry (1/2)1  boiboika
Part of speech  2  noun
Derivatives 
3  Active verbs :
4  Passive verbs :
Explanations in Malagasy  5  [1.10#B292] aretina tsy fantatry ny natolo mazava. Araka ny diksionera Richardson sy Malzac dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io. Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty, no fiandohany, ka nahazoany ny anarany. -- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny Tantaran' Andriana (P. Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny. -- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita. -- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity. Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo.
6  [1.1] Vay, fery maharitra ary manitatra
Explanations in English  7  [1.2] a foul protuberant ulcer.
Explanations in French  8  [1.3#85, 1.54] ulcère
9  [1.3#85] abcès, tumeur scrofuleuse
Examples  10  [2.48] izao kosa no karazan' aretina boiboika.
Vocabulary  11  Health
Analogs  12  dridra

Entry (2/2)13  boiboika
Part of speech  14  noun
Root  15  boika
Derivatives 
16  Active verbs :
17  Passive verbs :
18  Relative verbs :
19  Names :
Explanations in Malagasy  20  [1.10#B293] fipoitra sy fivoaka mitsitapitapy, nefa tsy an-kijanona, toy ny rano avy amin' ny loharano na ny vava-tavohangy, ets.
21  [1.1] Fivoahan' ny rano na ny ra mivoaka tsy an-kijanona avy ao anatin' ny tany na ny tena, fifantsitsirana
Explanations in English  22  [1.2] the bubbling or gurgling, as water in a spring.
23  [1.7] a bubbling up; a gurgling sound
Explanations in French  24  [1.3#85] [duplicatif fréquentatif]
25  [1.8] action de jaillir; bruit du jaillissement
Synonyms  26  boika, taboika

Anagrams  27  aboiboik, boiboika

Updated on 2025/07/29