|
|
|
|

Entry (1/3)1  farany
Part of speech  2  adverb [Full list]
All compound words 
Explanations in English  6  [1.2] finally
Explanations in French  7  [1.3] enfin, en un mot
Examples  8  [2.356] Farany dia tonga ry zareo.

Entry (2/3)9  farany
Part of speech  10  noun or adjective
All compound words 
Explanations in Malagasy  17  [1.1] Aoriana indrindra amin' ny laharana, amin' ny fanadinana na fifaninanana: Ny Desambra no volana farany amin' ny taona ~ I Naivo no farany tamin' ny fanadinana tao
Explanations in English  18  [1.2] The end, the last, the conclusion, the extremity, the close.
19  [1.7] the end, a limit
Explanations in French  20  [1.3] la fin d'une chose, le bout, la termisaison
dernier
Examples  21  [2.48] ho tsara farany hianareo!
22  [2.499] Tsinjony fa efa akaiky ny farany.
23  [2.48] Betatao, farany Merina amoron' ala;
Analogs  24  farana

Entry (3/3)25  Farany
Part of speech  26  name (poem title) [Full list]
Elementary words  27  farany
Vocabulary  28  Literature: poems
Author  29  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
30  Gina aho, eny tankina fa tsy nino hatramin'ny farany...
31  Mbola nihevitra ny hahazo hiady amin'ny fahafatesana!
32  Indrisy! tafahoatra ny heriko ny hangidin'ny fiharany ;
33  Eny! hankaiza aho anefa? Lahatra tsy ifandrefesana!

34  Tapitra fitepo hatreo ny fonao tia, rahavako...
35  Vata-mangatsiaka indrisy! sisa fihiniko eto an-tratra;
36  Eny! iky izany ianao ka ho afoin'ny fitiavako!
37  Ho banga anao ny fiainako, ô famoizana mahantra!

38  Mamaivay ny ranomaso : fahoria-mamelively...
39  Torovana sy fanina aho misaina ireo kamboty kely
40  Sy ny akany ho foana anao, tsy hahita anao intsony! ! !

41  Tsy foiko ianao hisaraka amiko, ry malala mamanara...
42  Nefa ho aiza aho fa resy anatrehan'ny Anjara!
43  Raiko ô, mangidy izao! Ny alaheloko onony!

Anagrams  44  afiran, fanari, fanary, fanira, Farany, farany, farina, finara, firana, firaña, ifaran, nafari, nafira, narafi, narifa, nifara, rafina

Updated on 2025/08/10