|
|
|
|

Entry1  hevitra
Part of speech  2  noun
Morphology 
3  Simple :
4  Prefixed :
Derivatives 
5  Active verbs :
6  Passive verbs :
7  Relative verbs :
8  Names :
9  Adjectives :
All compound words  10  95 words containing hevitra
Explanations in Malagasy  11  [1.1] Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany
Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity
Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao
Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io
Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra
Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao
Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona
Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity
Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao?
Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity
Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao
Explanations in English  12  [1.7] thought, thinking an idea
Explanations in French  13  [1.3#242, 1.8] pensée, idée
14  [1.3] opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion)
sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion)
jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu)
intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence)
conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné)
sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot)
signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole)
projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir)
expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras)
ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt)
motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses)
raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde)
prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail)
récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail)
valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit)
complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire)
rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure)
proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait)
Examples  15  [2.4#19] Aiza no ananako hevitra amin' izany!
16  [2.470#62] Ataontsika izay hevitra rehetra mety.
17  [1.3#242] Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes)
18  [1.3#243] Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit)
Vocabulary  19  Philosophy
Analogs  20  torohevitra
Proverbs  21  Proverbs containing the word hevitra

Anagrams  22  ahevitr, hevitra

Updated on 2025/08/10