|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  karatra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Taratasy baoritra fahazoa-miditra amin' ny lanonana na fiara andoavam-bola, izay manamarina fa efa nahaloa vola ny tena: Efapola ariary ny karatra fidirana amin' ity rindran-kira ~ Roanjato ariary ny kara-tsaran-dalana mankany Toamasina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 a card, a ticket [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 carte d'entrée, billet [1.8]
Tovy hevitra  6 bie
Kamban-teny rehetra  7  Fikambanana 5 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)8  karatra
Sokajin-teny  9  anarana
Fanazavàna teny malagasy  10 Taratasy fanoratana ny karazan-ketra rehetra aloa amin' ny fanjakana [1.1]
Mpanahaka  11  hajia, 12  hetra, 13  isampangady, 14  karamanga, 15  tongoamihonkona, 16  vodihena
Kamban-teny rehetra  17  Fikambanana 3 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)18  karatra
Sokajin-teny  19  anarana
Fanazavàna teny malagasy  20 Baoritra filalaovana misy marika sy sary, ary mitovy soratra ny vohony [1.1]
Voambolana  21  Kilalao
Tovy hevitra  22 karatra filalaovana
Mpanahaka  23  joro, 24  lalitra, 25  samamena, 26  tangontsotrobe
Kamban-teny rehetra  27  Fikambanana 2 amin' io teny io
Sary 

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/09