|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 kohadavareny |
| Singan-teny | 2 kohaka, 3 lavareny |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Aretin-kohaka mety hahavoa ny zaza eo amin' ny enim-bolana ka hatramin' ny dimy taona eo, ary mora fantarina amin' ny serisery, maso mitsiranondrano sy kohaka mateza amin' ny alina; tapabolana aorian' ny famantarana voalohany, dia miseho ilay feo "lavareny" toa misioka isaky ny mikohaka, avy amin' ny fisintonan' ny fiainana amin' ny faran' ny kohaka mafy mifampitohitohy; aretina faran' izay mora mifindra ny kohadavareny, irony antsoin' ny olona hoe manara-damba
[1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
6 whooping cough
[3.1] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 coqueluche
[1.54] |
| Ohatra |
8 Roa herinandro aty aoriana dia manomboka ny kohadavareny.
[2.424#]
|
| Voambolana | 9 Fahasalamana |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/12 |
|