|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  lazaina
Fototeny  2 laza
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy  4 ambara, aseho amin'ny teny: Izao no lazaiko aminareo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to be said [1.2, 1.7]
6 to be told [1.2]
7 to be reported [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 qu'on dit [1.3#394, 1.8, 1.5, 1.6]
9 qu'on publie [1.3]
10 dont on rend compte [1.8]
Ohatra  11  Nolazaiko azy fa nividy sambolay kelikely aho [2.471]
12  Izao no lazaiko aminareo (Voici ce que j' ai à vous dire) [1.3]
13  aza lazaina ho manina aho / fandrao ataony dia manadina [2.131]
14  Filazana toetra saro-dazaina, fa misy injay injay kely, tsy dia tsara loatra [2.643#211]
15  Angaha misy izany valopolo lazainao izany akory ny vola mba natolony anay! [2.472]
16  Aza fady, lazao kely azy fa te-hiresaka aminy aho (Dites-lui, s' il vous plaît, que je désire lui parler) [2.430]
17  Tsy afaka niverin-kariva intsony Randrianaivo, fa reraka loatra, ka niandry izay zavatra holazain' Ilaimanga [2.324]
18  Lazainay azy fa tandremanay tsara ny asanay (Nous lui disons que nous faisons bien attention à notre travail) [2.430]
19  lazain' ny lovan-tsofina fa izay efa nigoka tamin' ny ranon' i Manangareza, hono, tsy maintsy miverimberina ao Toamasina foana, na aiza na aiza toerana onenany [2.471]
Haiendriteny 
20  Tovonana :
21  Ny ankehitriny :
22  Ny lasa :
23  Ny hoavy :
24  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  25  Fikambanana 7 amin' io teny io
Ohabolana  26  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)27  lazaina
Fototeny  28 laza
Sokajin-teny  29  anarana
Fanazavàna teny frantsay  30 sujet (grammaire) [1.5]
Voambolana  31  Haiteny

Teny iditra (3/3)32  Lazaina
Singan-teny  33 lazaina
Sokajin-teny  34  anaran-tsamirery (anaran-tany) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  35 vohitra iray isan-ny lehibe amin-Avaradrano, miorina tsy lavitra an-Antananarivo.
36 Raha avy ao an-drenivohitra no miala ka manaraka ny lalana mianavaratra mankany
37 Ambohimanga, rahefa tonga amin-ny kilaometatra faha-14 dia misy sampanan-dalana
38 mivily miankandrefana, ary 1 km avy eo i Lazaina.
39 Tamboho avo, voarafitra mafy no mamefy ny tanàna, ary maro ny trano vaventy ao.
40 Nanan-daza io tanàna io noho izy niaviana komandy maro tamin-ny tany malagasy.
41 
42 Tany am-boalohany (1400?) dia ny vohitra nantsoina hoe Amboniloha no nonenan-ny raza-ny mponin' Ilazaina.
43 
44 Taty aoriana ela, tamin-ny fotoana nanjakan' Andrianjaka (1610-1630)
45 dia nifindra ho eo amin-ny toerana natao hoe Antanifisaka
46 izy ireo ary dia io no novàna anarana hoe Lazaina. Ary toy izao no voambara ho nahatonga izany:
47 Nasain' Andrianjaka naka fonenana teo Andriampanarivomanga izay anisan' ireo zanany lahy.
48 Indray andro raha nandeha ho any Ambohidrabiby ny mpanjaka dia nahatazana fa efa nifindra teo
49 Antanifisaka Andriampanarivomanga zanany ka nanontaniany hoe:
50 "Moa efa nolazaina izao fifindrana izao ?" -- "Eny, efa nolazaina", hoy ny mpamaly.
51 Ka dia ataovy hoe: "Lazaina ary ny anaran' ny tanàna vaovao, satria efa nolazaina".
52 
53 Eo amin' ny tantaran' ny Fiangonana Kristiana Malagasy dia manana ny toeram-boninahiny i Lazaina
54 noho izy vohitra niavian-dRanivo maritiora, ilay zazavavy kely tsara tarehy nentina niaraka
55 tamin' ireo maritiora navarina tao Ampamarinana,
56 satria noheverina hivadika raha mahita ny namany nakodia, nefa tsy nety nivadika mihitsy.
57 Notsarovana tamin' ny fomba manetriketrika
58 tao Lazaina ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRanivo maritiora, tamin' ny 9 sy 10
59 oktobra 1954.
60 
61 Ny Fiangonana protestantra ao Lazaina dia tafaorina tamin' ny taona 1863, ary nitokanana
62 tamin' ny 1 novambra 1865. Nankalaza tamin' ny fivorian-dehibe tokoa ny faha-100 taonany
63 ny fiangonana tamin' ny taona 1963 teo. [1.10]
Voambolana  64  Haitoetany: tanàna
Tsipelina hafa  65 ilazaina, ilazaina
Sary 

Fivaditsoratra  66 ilazana, lazaina, Lazaina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27