Entry | 1 Madagasikara tanindrazanay |
Elementary words | 2 Madagasikara, 3 tany, 4 razana |
Part of speech | 5 name (poem title) [Full list] |
Explanations in Malagasy |
6 Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1] |
Vocabulary | 7 Literature: poems |
Author |
8 Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison |
Text | 9 |
Full text |
10 I 11 Madagasikara tanindrazanay! 12 Tany saro-bidy masina sy soa; 13 Lova soa navelan' ny razanay taloha; 14 Maty ho anao no tena lazanay. 15 II 16 Isika rehetra izao akanga miara-dia 17 Tsy azo tabaina na ravana koa; 18 Ka hitomban-dahy hiasa re satria 19 Io no loharano fototry ny soa. 20 III 21 Malagasy ô, andeha hifankatia; 22 Ho mpirahalahy tena iray tam-po; 23 Ny hifankahala hatao sanatria. 24 Ka iray tokoa ny saina sy ny fo. 25 Isan' andininy 26 Mitsangàna ry tanora ! 27 Mitsangàna ka aza manana ahiahy; 28 Izao no andro sady ora, 29 Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy. |
Updated on 2025/10/11 |
![]() |