|
|
|
|

Entry1  Madagasikara tanindrazanay
Elementary words  2  Madagasikara, 3  tany, 4  razana
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Explanations in Malagasy  6  Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1]
Vocabulary  7  Literature: poems
Author  8  Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Text  9 
Full text  10  I
11  Madagasikara tanindrazanay!
12  Tany saro-bidy masina sy soa;
13  Lova soa navelan' ny razanay taloha;
14  Maty ho anao no tena lazanay.

15  II
16  Isika rehetra izao akanga miara-dia
17  Tsy azo tabaina na ravana koa;
18  Ka hitomban-dahy hiasa re satria
19  Io no loharano fototry ny soa.

20  III
21  Malagasy ô, andeha hifankatia;
22  Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
23  Ny hifankahala hatao sanatria.
24  Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

25  Isan' andininy
26  Mitsangàna ry tanora !
27  Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
28  Izao no andro sady ora,
29  Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

Updated on 2025/10/11