|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 mandidy |
| Fototeny | 2 didy |
| Sokajin-teny | 3 matoantenin' ny mpanao |
| Fanazavàna teny malagasy |
4 mikapa, mitetika
[Sihanaka]
[1.78] 5 mikapa, mandrasa: Tsy mora araka ny fiheverana azy akory ny mandidy hena 6 Manapaka lamba amin' ny hety mba hanaovana akanjo: Iza no nandidy ny akanjonao? 7 Mandrasa nofo na manapaka taova amin' ny olombelona mba hanalana aretina mahazo azy: Dokotera iza no nandidy ny vavoninao? 8 Mampanao: Mandidy zava-tsarotra loatra ianao, tompoko 9 Mifehy, manapaka: Iza no mandidy eto amin' ny faritany? 10 Mizaka, tompom-pahefana amin' ny fananana: Mandidy ny fananako aho 11 Teny misy ifandraisany amin' ny Mandidy: manapaka, mibaiko, mandahatra, mizaka, mifehy, manendry, manery, manjakazaka, mandidy tokana, mandidy tsy zehena, tsy refesi-mandidy, manao teniko fe lehibe, manao didy boraingona [1.1] 12 manaraka soritra miolika [1.13] |
| Fanazavàna teny anglisy |
13 to cut, to command, to order
[1.2] 14 to cut 15 to command [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
16 couper
17 commander [1.3#101, 1.8] 18 tailler, découper, faire une incision, percer avec le bistouri: 19 Nandidy ny masony ny dokotera (Le médecin a fait une incision à son oeil) ~ 20 Nandidy ny vay ny dokotera (Le médecin a percé l’abcès avec le bistouri) [1.3#101] 21 chantourner [1.13] |
| Ohatra |
22 Tsy izaho ve no mandidy sy manapaka eto?
[2.528#]
|
| Haiendriteny |
|
| Voambolana | 27 Haitao |
| Kamban-teny rehetra | 28 Fikambanana 14 amin' io teny io |
| Ohabolana | 29 Ohabolana misy io teny io |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17 |
|