|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1  mandoza
Fototeny  2 loza
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahatonga, mitera-doza: Mandoza ny areti-mifindra fa mandripaka vahoaka
5 Manambara loza: Lazain' ny olona fa mandoza ny akoho manatody malemy
6 Mandry amin' olon-tsy heny, miray amin' olona tsy azo vadina: Nampihorika ny ambanilanitra ny nataony fa nandoza ilay tsy valahara [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  7 to do evil; to signal a coming calamity [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  8 faire le mal; présager un malheur [1.8]
Ohatra  9  Ny biby mandoza tsy tambo, Ny tazo mamely dia misy, Ka aza mandeha, sombin' aiko! [2.69#]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  14 taka-mandoza
Ohabolana  15  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)16  mandoza
Sokajin-teny  17  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  18 manambady havana [Sihanaka] [1.78]

Teny iditra (3/4)19  mandoza
Sokajin-teny  20  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  21 maka ankeriny (vehivavy) [Tanosy] [1.78]

Teny iditra (4/4)22  mandozà
Fototeny  23 loza
Sokajin-teny  24  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mandoza [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Fivaditsoratra  25 mandazo, mandozà, mandoza

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27