|
|
|
|

Teny iditra1  mandre
Fototeny  2 re
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahalala fisiana feon-javatra iray amin' ny alalan' ny sofina: Tsy mandre na inona na inona ny sofiko fadonton' ny kininina
5 Mahafantatra: Vao izao aho no nandre fa narary ny zanakao
6 Mahatsiaro: Tsy mandre maharary rehefa mitsindrona amin' itỳ fanafody
7 Teny mifandray hevitra (Mihaino):
8 mitaino,
9 manongilan-tsofina,
10 mampandry sofina,
11 mihaino vilana,
12 mitaino ilany,
13 tailam-pandrenesana
14 Teny mifandray hevitra (Tsy mihaino):
15 manentsin-tadiny,
16 mamono sofina,
17 manary sioka,
18 manao henoy izany ry hazon-damosiko!,
19 mafy sofina,
20 mafy tadiny,
21 lalodalovana,
22 donto sofina,
23 domelina,
24 karenina,
25 marenina [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  26 to hear; to perceive by hearing, touch, taste or smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  27 entendre, apprendre, sentir [1.3]
28 entendre; apprendre; sentir par le toucher, le goût, ou l'odorat [1.8]
Ohatra  29  Tsy mandre mihitsy anie aho e! [2.117#]
30  Tsy mandre ny ketsoketso-borona anie! [2.69#]
31  Faly aho raha mandre izany teninareo izany. [2.298#]
Haiendriteny 
32  Ny ankehitriny :
33  Ny lasa :
34  Ny hoavy :
35  Filaza mandidy :
Voambolana  36  Haiaina
Tovy hevitra  37 mahare
Kamban-teny rehetra  38  Fikambanana 3 amin' io teny io
Ohabolana  39  Ohabolana misy io teny io

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17