|
|
|
|

Teny iditra (1/6)1  manina
Fototeny  2 hanina
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5 to long for, to regret; (instead of the passive verb, use
6 mahamanina) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  7 regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina) [1.8]
Ohatra  8  manina ny tanindrazana aho izany! [2.470]
9  Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja. [2.471]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Voambolana  15  Ontam-po
Kamban-teny rehetra  16  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  17  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/6)18  manina
Fototeny  19 ina
Sokajin-teny  20  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny anglisy  21 to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [Provincial] [1.2]
Haiendriteny 
22  Ny ankehitriny :
23  Ny lasa :
24  Ny hoavy :
25  Filaza mandidy :

Teny iditra (3/6)26  manina
Sokajin-teny  27  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  28 manendry [Bara] [1.78]

Teny iditra (4/6)29  manìna
Fototeny  30 hanina
Sokajin-teny  31  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (5/6)32  maninà
Fototeny  33 ina
Sokajin-teny  34  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao manina [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]

Teny iditra (6/6)35  Manina
Singan-teny  36 manina
Sokajin-teny  37  anarana (lohatenin-tantara fohy)
Voambolana  38  Haisoratra: tantara fohy
Mpanoratra 
39 Tselatra
Lahatsoratra  40  - Veloma ihany, ry masoandro hilentika;masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana:lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery;ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina.Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

41  - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana:saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra.Raha mahatsiaro ny any, misento mahalanany aty.Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Fivaditsoratra  42 manany, manañy, mañany, mañañy, maninà, manina, manìna, Manina

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27