Entry (1/2) | 1 menakely |
Elementary words | 2 mena, 3 kely |
Part of speech | 4 noun |
Explanations in Malagasy |
5 (taloha) Tany iadidian' ny andriana anankiray napetraky ny mpanjaka ao, izay antsoina hoe tompomenakely na tompombodivona. (Jereo menabe) [1.1] |
Explanations in French |
6 fief seigneurial [1.431#14] 7 terres et sujets des seigneurs féodaux, par opposition au menabe, terres et sujets du domaine royal [...] [1.11] |
Examples |
8 Nanan-karena sady be menakely Andriambahoaka;
[2.69#79]
9 Tsy hataoko menakely ianareo fa ataoko menabe. [2.508#408] |
Synonyms | 10 vodivona |
Analogs | 11 menabe |
Entry (2/2) | 12 menakely |
Part of speech | 13 noun |
Explanations in Malagasy |
14 Karaza-mofo atao amin' ny kobam-bary misy siramamy ka endasina [1.1] |
Examples |
15 Mofo menakely na ramanonaka no hany sakafo nohanin' ny olona.
[2.472#131]
16 Ny ankizy no nitondrany vatomamy sy menakely ka avy hatrany dia nandrapaka. [2.470#101] |
All compound words | 17 mofo menakely |
Vocabulary | 18 Economy: food |
Anagrams | 19 kelimena, 20 menakely |
Updated on 2025/10/11 |
![]() |