|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  mijanona
Fototeny  2 janona
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 Mitsahatra mandeha, miteny, manao zavatra: Nijanona tamin' ny fito sy fahatelony ny famantaranandroko
5 Mitoetra, mipetraka, maharitra: Aza mijanona ela any an-tsena ~ Nijanona tapa-bolana tany Amborovy izahay
6 Mifarana, tsy mitohy intsony: Nijanona ny ady fa be loatra ny maty tamin' ny ankilany
7 Tapaka, miato: Nijanona hateloana ny orana dia avy indray [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 to stop [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 S’arrêter, rester, cesser, être interrompu, suspendu. Nijanona ný famantaranandro lehibe. L’horloge s’est arrêtée. Nijanona tany an-dàlana ny marary. Le malade s’est arrêté, est reste en route. Nahoana no nijanona ela toy izany tany an-tsena ialany ? Pourquoi es-tu resté si longtemps au rçarcné? Nijanona tsy misotro toaka intsony izy. Il a cessé de boire du rhum. Nijanona ny ady, nony maty ny Jeneraly. Le combat cessa, lorsque le général eut été tué. Nijanona io mpiasa io. Cet ouvrier a cessé de travailler, no travaille pas. Mijanona iray volana ny fanaovana ny tranon’ ny govornora. La construction de la maison du gouverneur est interrompue, suspendue endant un mois [1.3#292]
10 s'arrêter [1.8]
Haiendriteny 
11  Ny ankehitriny :
12  Ny lasa :
13  Ny hoavy :
14  Filaza mandidy :
Mpanahaka  15  makaaina, 16  manahana, 17  miafitra, 18  mialajanona, 19  mianina, 20  mianona, 21  miantsona, 22  miato, 23  mihantona, 24  mionona, 25  misento, 26  mitokana, 27  mitsahatra, 28  mitsatoka
Ohabolana  29  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/3)30  mijanona
Fototeny  31 janona
Sokajin-teny  32  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  33 tsy miova eo amin'ny toerana sy ny fotoana iray, tsy mandeha [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  34 stationnaire; arrêté [1.13]

Teny iditra (3/3)35  mijanòna
Fototeny  36 janona
Sokajin-teny  37  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mijanona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]
Ohatra  38  mijanòna ianareo, ka mitalanjòna, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! [2.996]

Fivaditsoratra  39 manjonia, 40 mianjòna, mianjona, mijanona, mijanòna

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27