|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/3) | 1 orana |
| Sokajin-teny | 2 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
3 Rano mirotsaka avy eny amin' ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan' ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana ~ Avy ny orana ~ Latsaka ny orana ~ Mitsahatra ny orana
[1.1] 4 Rahona mihantona eny amin' ny rivotra manodidina ny tany izay tonga rano ka milatsaka mitaika ety ambonin' ny tany [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
5 Rain. [mal. Ujan; polyn. Na.]
[1.2] 6 Rain [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
7 Pluie
[1.8] |
| Ohatra |
8 Midona ny orana any Ankaratra
[2.131]
|
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Voambolana | 12 Haitoetrandro |
| Tovy hevitra | 13 ranonorana |
| Kamban-teny rehetra | 14 Fikambanana 23 amin' io teny io |
| Ohabolana | 15 Ohabolana misy io teny io |
| Teny iditra (2/3) | 16 orana |
| Sokajin-teny | 17 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
18 Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy.
[1.1] |
| Sampanteny |
|
| Teny iditra (3/3) | 25 orana |
| Sokajin-teny | 26 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
27 patsa
[Tanosy]
[1.78] 28 Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana aman-tongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin' ny nofon' izay ketohiny [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
29 the Madagascar crayfish, which is very plentiful in the rivers and streams of the interior. It belongs to a genus peculiar to te island, and stands alone in some of the peculiarities of its structure. Astacoides madagascariensis, And. and M.-Edw. [comp. mal. Udang, a lobster; jav. And many Malayan languages uran, a prawn.]
[1.2] 30 a shrimp [1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
31 écrevisse
[1.8] |
| Ohatra |
32 Raha tia orana hianao dia hakanay anio alina, fa mora azo foana izy ireny raha itondrana fanilo
[2.324]
|
| Voambolana | 33 Haibiby: tsy manan-kazon-damosina |
| Kamban-teny rehetra | 34 Fikambanana 10 amin' io teny io |
| Ohabolana | 35 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 36 anaro, 37 arano, 38 aroña, Arona, arona, orana, 39 ranao, 40 raona, 41 roaña |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/27 |
|