|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  paika
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Feo re avy amin' ny zavatra mifandona
4 Fidona, fanapoahana amin' ny tanana na hazo: Paika kely foana dia ampy hampandeha io masinina io
5 Tefy (vato): Vato tsara paika
6 Fandehanana (amin' ny lalao fanorona), fifindran' ny vatom-panorona rehefa mihinana, ka mankeo amin' ny toerana tiany: Anao izao ny paika
7 Tetika ampiasaina, tetikady: Paika fotsiny ny azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 a stroke, a blow [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 coup, choc, cliquetis des armes
10 réprimande
11 un coup au jeu du fanorona [1.3#475]
12 coup [1.8]
Ohatra  13  Diso paika ka matim-bela. [2.643#]
14  paika tsy miady no itondran' ialahy anay. [2.4#]
15  Tsy nanana hevitra maty paika ny namanay. [1.369#]
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Voambolana  29  Feo
Tovy hevitra  30 paipaika
Mpanahaka  31  dona, 32  gona, 33  katroka, 34  poka
Kamban-teny rehetra  35  Fikambanana 17 amin' io teny io

Teny iditra (2/3)36  paika
Sokajin-teny  37  anarana
Fanazavàna teny malagasy  38 fomba ampiasaina [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  39 procédé; mesure [1.13]
Kamban-teny rehetra  40  Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (3/3)41  paika
Sokajin-teny  42  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  43 maina (taona) [Sihanaka] [1.78]

Fivaditsoratra  44 apika, paika, 45 piaka

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/17