|
|
|
|

Entry (1/3)1  volan-tsinana
Elementary words  2  volana, 3  tsinana
Part of speech  4  noun
Explanations in French  5  les premiers jours de la lune
croissant [1.3]
Examples  6  Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Vocabulary  7  Astronomy

Entry (2/3)8  volan-tsinana
Part of speech  9  noun
Explanations in French  10  demi-cercle [1.3]
Examples  11  Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Vocabulary  12  Mathematics: geometry

Entry (3/3)13  Volan-tsinana
Elementary words  14  volana, 15  tsinana
Part of speech  16  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  17  Literature: poems
Author  18  Razafintsalama Josefa
Full text  19  Raha nisoka, natao tsy hiverina;
20  nony maty, natao tsy hiposaka,
21  kanjo io ihany io mitsingerina,
22  fa ny zava-malefa-pitosaka ;
23  fisehoany dia mihelontrelona ,
24  fa mitsidi-mitranga milentika
25  ary impito no maty ka velona
26  fa tsy tena dia lasa mirendrika
27  iry volan-tsinana andrefana
28  mahalala fotoam-piherenana!

29  Samy faly no sady finaritra,
30  ka indreny miainga mirohotra
31  eo an-kianja hikorana maharitra
32  ireo maro kilonga isam-bohitra;
33  fa ny zaza kamboty, manjonitra,
34  mahatsiahy ilay kibo nitoerana
35  sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
36  faingy hani-mandalo miserana
37  toraka io volan-tsinana andrefana,
38  tsy mandika fotoam-piherenana.

39  Ireo hazo amoron'ny tevana
40  velon-tsento mangina tarafiny,
41  fa ny sainy he! mihevangevana
42  ka maniry azy io hotahafiny...
43  Dia voavetso ny ela nilaozana,
44  ka ny endrika, bika, nananana,
45  no tanian-kimpody , hiaranana
46  toraka io volan-tsinana andrefana
47  tsy mandiso fotoam-piherenana!

Anagrams  48 Volan-tsinana, volan-tsinana

Updated on 2025/10/12